mardi 14 février 2017

I ) ROYAL ACADEMY OF SCIENCES OF MADAGASCAR

Noho ny Fahasoavan' Ilay MPAHARY ny Lanitra sy ny Tany, YHWH, Andriamanitr'Abrahama, Isaka ary Jakoba,

 dia efa mijoro ny Fikambanana misy ROHIM-PAHENDRENA sy FAHALALANA ary FAHAIZANA avy amin'ny Andriana eto Madagasikara (RAM) na ROYAL ACADEMY OF SCIENCES OF MADAGASCAR  (RAM)

 izay ivondronan' ny Manam-pahendrena sy Manam-pahalalana ary Manam-pahaizana Avo lenta avy amin' ny Andriana eto Madagasikara,

ho Fanajana an'Ilay Mpahary sy ny Soatoavina nenti-paharazana ary ho Fampandrosoana ny firenena sy ny Olombelona rehetra.



Misy Departemanta, Vondrona sy Taranja maro ao anatin' ny Fikambanana RAM toy:

.Departemanta 1: Ny Fahendrena sy Fahalalàna sy Siansa Fototra (Theolojia, ...),

.Departemanta 2: Kolotsaina sy Hai-Kanto:
Ny Hai-Teny, ny Hai-Fomba sy ny Soatoavina, ny Hai-Soratra ary ny Hai-Kanto rehetra
  (Hai-Mozika,  Hai-Loko, ...sns)

Departemanta 3: Ny Siansa fototra (Mathematika, Fizika, Simia,...),

Departemanta 4: Ny Siansa Ampiarina mikasika ny Lanitra sy ny Tany (Hai-Lanitra, Hai-Kintana, Hai-Tany, Hai-Aina, Hai-Biby,...),

Departemanta 5: Ny Siansa mikasika ny Olombelona (Fitsaboana, Hai-Olona, Hai-Foko, ...),

Departemanta 6: Ny Hai-Tantara sy ny Hai-Lalàna ary ny Siansa Politika,

Departemanta 7: Ny Siansa mikasika ny Fampandrosoana  (Toekarena, Fitantanana, Varotra, Hai-Fiarahamonina, Teknolojia Vaovao, ...)...


"...Ny Fahatahorana an' Ilay Mpahary no voaloham-pahendrena sy voaloham-pahalalana ..."
(Salamo 110:10; Ohabolana 1:7)


Ho an' Ilay MPAHARY ny Lanitra sy ny Tany, YHWH,
ao amin' Jesoa Masina, Ilay Mpanjakan' ny mpanjaka sy Tompon'ny tompo,
irery ihany ny Voninahitra!


Antananarivo, Vohitra Masina, Aprily 2016.

Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,
Doctor of Theology, PhD, ThD,
Lehien' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara,
Lehibe Mpanorina ny Royal Academy of Sciences of Madagascar.


Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire